KOLONTSAINA MALAGASY sy ny Fiangonana…
Ny vaomiera ny Kolontsaina no mpandrindra sy mamerina ny fampitana fampianarana ireo hai-riba sy haren-tsaina ny Ntaolo malagasy amin’ny alalan’ireo teny malagasy, tantaran’ny firenena, fomba amam-panao nentim-paharazana (fora-zaza, ala volon-jaza, sns…), lalao toy ny fanorona, katro, ady ravina, ho an’ny solofo sy dimby ary taranaka amam-para, eny na ho an’ireo olona te handalana ny soa toavina maha-malagasy aza.
Vaindon-draharaha ny mampita ny kolon-tsaina malagasy indrindra ny teny Malagasy amin’ireo taranaka, dimby sy fara, hitondra ny FKMP afaka fotoana vitsy dia vitsy, koa anisan’izany ny Fampianarana ny teny malagasy ireo ankizy 4-12 taona.

Ireo hetsika efa nandraisany anjara…
– Fandraisana anjara lehibe tamin’ny fanomanana ny fetim-piangonana :
Ankizy : filalaovana tantara sy angano an-dapihazo (teatra), dihy sy ny vako-drazana
Lehibe sy ny tanora : don-tany sy kapo-tandroka.
Lehibe sy ny tanora : don-tany sy kapo-tandroka.
– Fetin’ny Reny sy ny Ray : fanaovana tsianjery sy hira ho fahatsiarovana sy fankalazana ilay andro natokana ho an’ireo Raiamandreny loharano nipoirana, nahitàna masoandro.- Fetin’ny Noely : fandraisana anjara amin’ny tsianjerin’ny noely.- Fandraisana anjara tamin’ny « koranam-pianakaviana », izay fety sy lanonana nokarakarain’ny fiangonana.
Soritr’asa manaraka…
– Fanohizana hatrany ny ezaka ho an’ny dimby sy fara hankafy ary ho tia ampiasa ny teny malagasy, Ho tia ny vita, ny teny, ny olona, ny tany, … malagasy, hanana ambom-po malagasy.
« Fa izay tia Tanindrazana , tia Tenindrazana »– Hampianatra ny lalao « Fanorona » ireo ankizy.- Hiezahana ny hitantara angano (hisy boky amin’izany).- Fandraisan’ny ankizy anjara eo amin’ny hetsika rehetra eto amin’ny FKMP.

Fotoana fampianarana ireo ankizy
Isaky ny alahady aorian’ny Sorona Masina.
Bakoly RANDRIAMANANTENA
Mpandrindra ny Vaomieran’ny Kolontsaina
Doda RAZAFINDRAKOTO
Mpandrindra mpanampy
Comments are closed, but trackbacks and pingbacks are open.