Vaomieran'ny FIARAHA-MONINA
Adidy sy andraikitry ny Fiangonana ny fanampiana ny mpiara-belona
Tsy mijanona na koa mifarana eo ambaravaran'ny trano fiangonana ny fiainana ara-pinoana.
Maro ireo olona miaina na koa tojo fahasahiranana amin'ny fiainana andavan'andro. Ao ireo olona mipetra-drery lavi-kavana, ireo zokiolona tsy dia afaka mifanerasera amin'ny hafa intsony. Ao koa ireo olona sahirana noho ny antony maro samihafa.
Ny mpikamabana ao antin'ny vaomieran'ny fiaraha-monina eto anivon'ny FKMP dia mihezaka hatrany ny manantona, mamangy sy mijery akaiky azy ireny.
Mila anao ary koa mila antsika rehetra ny Fiangonana koa aza misalasala manantona sy mandray anjara amin'ny fanatanterahana ireo adidy masina maro mbola miandry.
Comments are closed, but trackbacks and pingbacks are open.