Teny soa sakafo Zoma Masina (Jn 18,1-40.19,1-42) 19/04/2019

« Rehefa voalazan’i Jesoa izany, dia lasa izy sy ny mpianany nankany an-dafin’ny riakan’i Sedrona, izay nisy saha anankiray nidiran’izy sy ny mpianany. Fantatr’i Jodasy ilay namadika azy koa io toerana io, satria falehan’i Jesoa sy ny mpianany matetika. Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisiana, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo, ary fiadiana. Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjò azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: Iza no tadiavinareo?
Dia hoy ny navalin’izy ireo azy: Jesoa avy any Nazareta. Ka hoy Jesoa taminy: Izaho no izy. Eo koa izany Jodasy ilay namadika azy. Vao nilazan’i Jesoa hoe: Izaho no izy, dia nianotra izy ireo, ka niankarapoka tamin’ny tany.
Fa nanontany azy indray Jesoa nanao hoe: Iza no tadiavinareo? Dia hoy izy ireo: Jesoa avy any Nazareta.
Ka novalian’i Jesoa hoe: Efa voalazako taminareo fa izaho no izy; koa raha izaho no tadiavianareo, dia avelao handeha ireto. Izy no nilaza izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe: Tsy nisy very izay nomenao ahy, na dia iray aza. Ary nanan-tsabatra Simona Piera ka notsoahany dia nasiany ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka tery ny sofiny an-kavanana: Malkosy no anaran’ilay mpanompo. Fa hoy Jesoa tamin’i Piera. Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray ahy? Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tompon’arivo ary ny mpiandry raharaha nirahin’ny Jody, dia nisambotra an’i Jesoa, ka namatotra azy. Tany amin’i Ana aloha no nitondrany azy, fa io no rafozan’i Kaifa izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany taona izany;
ary Kaifa kosa no ilay nanome saina ny Jody hoe mahasoa raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray.
Nanaraka an’i Jesoa tamin’izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa; ary fantatry ny lehiben’ny mpisorona ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao amin’ny tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona.
Fa Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Piera.
Fa hoy ity ankizivavy mpiandry vavahady tamin’i Piera: Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa va hianao? Ary hoy izy: Tsia. Nangatsiaka ny andro, ka nipetraka namindro teo amin’ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary dia mba niara-namindro taminy teo koa Piera. Ary ny lehiben’ny mpisorona nanadina an’i Jesoa ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany; ka hoy Jesoa namaly azy: Niteny am-pahibemaso tamin’ny olona rehetra aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagoga sy ny tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona; ka ahoana no anontanianao ahy? Ireo nihaino ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no mahalala izay nampianariko. Nony nilaza izany Jesoa, dia nasian’ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina sy nataony hoe: Izany ve no famalinao ny lehiben’ny mpisorona? Jesoa namaly azy hoe: Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely ahy hianao? Dia nasain’i Ana nentina am-patorana ho any amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona izy. Ary Simona Piera nijanona namindro teo koa, ka nisy nanao taminy hoe: Moa tsy isan’ny mpianany koa va hianao? Fa nandà izy nanao hoe: Tsia. Dia hoy koa ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, izay havan’ilay notapahin’i Piera sofina: Tsy hianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha? Fa nandà indray Piera, ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.
Dia nentiny niala tao amin’i Kaifa Jesoa, ho any an-tranon’ny governora. Efa maraina ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voaloto ka tsy afa-mihinana ny Paka. Koa Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo ala-trano, nanao hoe: Inona no iampanganareo io Lehilahy io? Dia hoy ny navalin’izy ireo azy: Raha tsy mpanao ratsy izy, dia tsy ho natolotray anao. Ka hoy Pilaty taminy: Ento izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Fa hoy ny Jody namaly azy: Tsy manam-pahefana hanamelo-ko faty izahay. Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny nambaran’i Jesoa momba ny fahafatesana hanjo azy. Dia niditra tao an-trano Pilaty, ka niantso an’i Jesoa sy nanao taminy hoe: Moa mpanjakan’ny Jody va hianao? Jesoa namaly hoe: anao samy irery izany teny izany, sa an’olon-kafa nilaza ahy taminao? Dia namaly Pilaty nanao hoe: F’izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra anao tamiko, ka inona no nataonao? Jesoa namaly hoe: Tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako. Dia hoy Pilaty taminy: Koa mpanjaka izany hianao? Ary novalian’i Jesoa hoe: Efa voalazanao. Mpanjaka aho. Teraka aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko. Inona no marina? hoy Pilaty taminy. Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin’ny Jody indray izy ka nanao tamin’ireo hoe: Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza; fa araky ny fanao amin’ny Paka dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho; koa tianareo ve ny handefasako ny mpanjakan’ny Jody? Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe: Tsy izy, fa Barabasy. Kanefa jiolahy Barabasy.  Tamin’izany, nalain’i Pilaty Jesoa ka nasainy nokapohina. Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny kapaoty jaky izy. Rahefa izany, dia nanatona azy izy ireo, ka sady namely tehamaina azy no nanao hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody. Dia nivoaka indray Pilaty ka nanao tamin’ny Jody hoe: Indro izy entiko manketo aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako mihitsy izay helony na dia iray aza. Tamin’izay nivoaka Jesoa misatroka fehiloha tsilo sy mitafy kapaoty jaky, ka hoy Pilaty tamin’ny Jody: Indro ny Lehilahy. Nony nahita azy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantso nanao hoe: Fantsiho, fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy. Fa hoy Pilaty tamin’izy ireo: Ento àry izy ka fantsihonareo, fa izaho tsy mba mahita izay helony. Dia hoy ny Jody namaly azy: Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay dia tsy maintsy hovonoina izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’Andriamanitra. Nandre izany Pilaty vao mainka natahotra. Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: Avy aiza moa hianao? Fa tsy namaly azy Jesoa. Ka hoy Pilaty taminy: Izaho indray ve no tsy itenenanao? Tsy fantatrao angaha fa sady manam-pahefana handefa anao aho, no manam-pahefana hamantsika anao amin’ny hazo fijaliana koa? Dia hoy Jesoa hoe: Tsy hanam-pahefana amiko hianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany; koa izay nanolotra ahy taminao no meloka kokoa noho hianao. Hatramin’izay dia nitady handefa azy Pilaty. Fa nantsointsoin’ny Jody hoe: Raha mandefa io hianao, dia tsy mba sakaizan’i Sezara, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia mitsanga-kanohitra an’i Sezara.
Nony nandre izany teny izany Pilaty dia nitondra an’i Jesoa nivoaka, ka nipetraka teo amin’ny fitsarana, amin’ny fitoerana atao hoe Litostrotos, na Gabata amin’ny teny hebrio. Andro fiomanana amin’ny Paka tamin’izay, ary tokony ho tamin’ny ora fahenina; dia izao no nolazain’i Pilaty tamin’ny Jody: Indro ny Mpanjakanareo. Fa niantsoantso izy ireo nanao hoe: Esory, esory, fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy. Ka hoy Pilaty taminy: Dia hofantsihako amin’ny hazo fijaliana ve ny Mpanjakanareo? Fa hoy ny lohan’ny mpisorona hoe: Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy Sezara. Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana Jesoa, ka noraisin’izy ireo izy, dia nentiny.
Nentin’i Jesoa ny hazo fijaliana, dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe Kalvery izy, na hoe Golgota amin’ny teny hebrio.
Teo no namantsihany azy tamin’ny hazo fijaliana, niaraka tamin’ny roa lahy hafa koa izay nofantsihana teo an-daniny roa, fa Jesoa teo afovoany. Ary nanao soratra Pilaty napetany teo an-dohan’ny hazo fijaliana, ka izao no vakiny: Jesoa avy any Nazareta mpanjakan’ny Jody. Betsaka ny Jody namaky io soratra io, fa akaikin’ny tanàna ny toerana namantsihana an’i Jesoa; sady vita tamin’ny teny hebrio sy greka ary latina ny soratra. Ka hoy ny mpisoron’ny Jody tamin’i Pilaty: Aza atao hoe mpanjakan’ny Jody, fa hoe izy nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jody aho. Fa hoy Pilaty hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.
rahefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny hazo fijaliana izy, nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, dia samy nanana ny anjarany avy izy; toy izany koa ny akanjony rebareba. Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany, ka nifampilaza hoe izy ireo: Aoka tsy hotriarintsika izy, fa aoka hilokantsika, dia ho lasan’izay hahazo ny loka. Koa tanteraka tamin’izany ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko. Dia izany no nataon’ny miaramila.
Ary nitsangana teo akaikin’ny hazo fijalian’i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia Maria vadin’i Kleofasy, ary Maria Madelena. Nony hitan’i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dreniny: Ravehivavy, indro ny zanakao. Ary hoy koa izy tamin’ilay mpianatra: Indro ny reninao. Ka hatramin’izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy. Nony afaka izany, dia fantatr’i Jesoa fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina: Mangetaheta aho. Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo, ka nalaina ny sponjy novontosana vinaingitra, sy notohizana tamin’ny hazo hisopy, dia natohoka teo am-bavany.
Vao nanandrana ny vinaingitra izy dia nanao hoe: Tanteraka ny zavatra rehetra. Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina. Ary andro fiomanana tamin’izay, ka nangataka tamin’i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon’izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin’ny hazo fijaliana amin’ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany). Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; fa nony nankeo amin’i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny lanivoany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay. Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza. Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: Hijery izay nolefoniny izy. Rahefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia, izay mpianatr’i Jesoa an-tsokosoko noho ny fahatahorany ny Jody dia nangataka tamin’i Pilaty mba haka ny fatin’i Jesoa, ka neken’i Pilaty izany. Dia lasa izy naka ny fatin’i Jesoa. Ary tonga koa Nikodema ilay nanatona an’i Jesoa nony alina tamin’ny voalohany nitondra mira sy aloesy nampifangaroina, tokony ho zato livatra. Koa nalainy ny fatin’i Jesoa, dia nasiany zava-manitra sy nofonosiny lamba araka ny fanaon’ny Jody amin’ny fandevenana. Nisy saha anankiray kosa tao amin’ilay toerana namantsihana an’i Jesoa, ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin’ilay saha. Ka noho ny maha-andro fiomanan’ny Jody tamin’izay dia tao no nandevenany an’i Jesoa, satria akaiky ny fasana. »

Aujours’hui nous célébrons la passion du Christ.
Si Jésus n’était pas venu sur terre…comment aurait-on pu savoir la Vérité sur cette vie? Qui nous aurait donné l’Evangile pour nous réconforter chaque jour…?
Si Jésus n’était pas venu sur terre supporter les souffrances jusqu’à la mort puis ressusciter, comment aurait-on fait pour supporter nos problèmes et croire que la vie est plus forte que la mort…?

Merci Jésus car Tu t’es révélé à nous non pas en restant tranquille dans le ciel, mais en venant nous montrer l’exemple.
Peu importe le mal qui nous arrive, on sait que Tu as vécu pire que cela ET Tu l’as vaincu. Voilà le chemin qu’on doit suivre.

Sabrina Razafimanohy

  •  
  •  
  •