Teny Soa Sakafo Alatsinainy 29D (Lk 12,13-21) 21/10/2019

« Tamin’izay dia nisy anankiray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe: ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko. Fa hoy Jesoa taminy: Ralehilahy ô, iza moa no nanendry ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo? Ary hoy izy tamin’ny olona: Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana hianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany. Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo izy ka nanao hoe: Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray,
ka velona eritreritra toy izao: Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity? Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy: horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra,
ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro hianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be. Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: Ry adala, anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza àry izay novorinao? Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra. »

Mampiasa saina antsika tokoa ity resaka fanana ity. Izay eo am-pelatanana tsy foy fa tiana ampitomboina foana. Ny fomba fampiasantsika sy fitadiavantsika azy anefa no tena olana. Ndrao fitsiriritana ny fananan’olona sy fitiavan-tena no manjaka. Mila mandinin-tena sy miezaka araka izay isika. Ny fitiavana mbola ambonin’ny lalàna, toy izany koa ny momba ny vola aman-karena. Ny Fitiavana no lehibe indrindra ary io no tena harena : fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavana ny namana.

Tompo ô, ampio izahay hihary eo Aminao.

Natacha

  •  
  •  
  •