Hoy indray Jesoa tamin’izy ireo: « Handeha aho ka hitady ahy hianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha. »Dia hoy ny Jody: « Hamono tena angaha izy no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha? »Fa hoy izy tamin’izy ireo: » Hianareo avy ety an-tany, izaho avy any an-danitra; hianareo olon’izao tontolo izao; izaho tsy mba olon’izao tontolo izao. Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo hianareo; satria raha tsy mino hianareo fa izaho no izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo hianareo. »Dia hoy ry zareo taminy: « Iza moa hianao? », ka hoy ny navalin’i Jesoa azy: » izay lazaiko aminareo indrindra. Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo aho; fa marina ilay naniraka ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao. »Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy.Ka hoy Jesoa taminy: « Rahefa voasandratrareo ny Zanak’olona vao ho fantatrareo fa izaho no izy, sady tsy manao na inona na inona ho ahy aho, fa izay nampianarin’ny Ray ahy no lazaiko. Ary izay naniraka ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery aho, satria manao izay tiany mandrakariva. »Tamin’izy niteny izany, dia maro no nino azy.
Tsy mba ray aman-dreny lavitra tsy mahare tanin-jaza akory ny Ray Andriamanitra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy no hahitana ny lalana mankany aminy. Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, izay mino Azy dia hanana ny fiainana mandrakizay.
Raha mbola tsy tonga ny fotoanany dia tsy nahita ny famirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra ny mpianany, tsy teo anivon’izy ireo ny Fanahy Masina hahazoany ny marina, dia ny maha iray ihany ny Ray sy ny Zanaka. Fa nony voasandratra ny Zanak’olona dia nahazo izy ireo fa IZY NO IZY.
Raha mionona amin’ny fijery maha olombelona isika, na hampiasa ny fahaizana tapitr’ohatra aza dia tsy hahatakatra ny misterin’Andriamanitra. Tsy ho voavela fa ho fatin’ny ota isika raha tsy manaiky hatramin’ny fara aintsika, amin’ny fo manontolo fa i Jesoa Kristy no Zanaky ny Ray, ary IZY NO IZY. Izay mandray azy ao am-pony araka izay no tsy ho faty.
Isika olombelona ihany koa, toy ny ladim-boatavo ka iray fototra ihany, isika Kristianina dia iray ao amin’i Kristy, natao hanaraka ny diany.
Fa tsy mba ny fiainantsika ety an-tany na ny fiainan’izao tontolo izao no hahaavotra antsika fa ny fiainana ao an-danitra, ny fiainan’ny Zanaka ao amin’ny Ray. Ny finoanao no hahavoavonjy anao.
Mivavaka isika mba hampitomboan’i Jesoa ny finoantsika, miaraka amin’i Masina Maria Renin’Andriamanitra.
Hanitr’Ony