Sabotsy 4D (Mk 6, 30-34) – 05/02/2022

« Tamin’izany andro izany, niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Ary hoy Izy taminy: “Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely”: fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina. Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy. »
Mampianatra antsika fa misy fotoanany avokoa ny zavatra rehetra ny Evanjely anio. Ilaina ny manokana fotoana hanokanan-tena handinihina, hieritreretana, hihatahana amin’ny mahazatra. Izany no hatao dia mba ahazoantsika miroso lalindalina kokoa amin’ny fiainana ny Finoana arahin’asa. I Jesoa irery ihany no rano Velona ahafahantsika miaina sy miroso ankasahiana miatrika ny fiainana.
Tompo o ! Ampianaro izahay hihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina ka ahafahanay mitory ny Evanjely hatrany. Mitenena Tompo o, fa mihaino ny mpanomponao. Mivavaka ho an’ny Firenenay koa izahay, mba hotahianao hatrany ny malagasy amin’ny fiatrehana ny rivo-doza izay mety hanampy trotraka ny valan’aretina sy ny adim-piainana isan’andro.
Andrianome Rakotomanantsoa
  •  
  •  
  •