PAKA HOE …


« Tsy takatry ny saina ny Fitiavana namonjenao anay.

Mahatsiaro anao maty izahay.
Mankalaza anao nitsangana indray.
Miandry, miandrandra ny hiverenanao amim-boninahitra ».

Vavaka tononintsika na hiraintsika isaky ny lamesa io voalaza io. Marina fa  ankalazaintsika isan-taona ny Paka. Tsara ho fantatra anefa fa  ny lamesa rehetra dia fankalazana ny Paka izay fety lehibe indrindra amintsika kristianina.

Mba ho tomombana ny Paka dia mila fanomanana goavana.  Ankoatrany akanjo raitra,  ny sakafo be sy ny dihy aman-danonana dia mila mifantoka tanteraka ny fanahy amam-batana. Natao indrindra hahavonona antsika ny karemy. Tsorina fa sarotra ho antsika olombelona izany saingy fotoana tokony hanokanana ny herintsika manontolo amin’ny fibebahana sy fanaovan-tsoa. Raha variana mivezika etsy sy eroa isika dia tsy ampy tosika ny angovo atokana ho fiomanana amin’ny Paka. Ny isa 40 dia manamarika  zavatra maro: 40 herinandro ny zaza vao tomombana tsara ao am-bohoka; 40 andro ny safodrano (Jen. 7); 40 taona ny vahoakan’Israely vao nihazo any amin’ny Tany  nampanantenaina; 40 andro i Moizy no teny an-tendrombohitry Sinaï vao nidina niaraka tamin’ny didy folo (Eks. 34, 28); manoloana ny fandrahonan’i Jezabela dia nandeha nandritrany 40 andro tany an’efitra i Elia hatreny an-tampon’iHoreba (1 Mpanj. 19, 8); 40 andro alohan’ny hahapotehan’i Niniva i Jonasy no niangavy ny mponina tao mba hibebaka (Jon. 3, 4). Izany eo ihany fa ny fiainana avy amin’ny Mpamonjy no tena iainantsika amin’ny karemy. I Jesoa mantsy no nanome ohatra: tsy nanao afa-tsy ny nivavaka sy nifady hanina nandritrany 40 andro. Ny hanoanana dia misarika ny fo sy ny saina hiverina amin’ny zavatra madinika fototry ny aina. Natao hisintona ny fontsika hifantoka amin’ny Teny Soa Sakafo omen’Andriamanitra ihany koa izy (tsy ny mofo ihany mantsy ny iveloman’ny olona fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra: Lk. 4, 4). Ary indrindra mampiombona antsika amin’ny mahantra sy manasa antsika mba hizara.  Izay ataontsika amin’ny madinika no ataontsika amin’Andriamanitra.

Inona moa no atao hoe Paka ?

Ny teny hoe Paka dia nolovaintsika tamin’ny fomba jody. Ny teny hebrio « pessa’h » no nadikan’ny grika hoe paskha ary nadika teny latina hoe pascha. Isika Malagasy dia milaza hoe paka. Tsetsatsetsa no ilazana fa amin’ny teny frantsay dia tsy misy « s » ny Pâque raha hilazany fety jody ary misy « s » ny Pâques raha hanambarany fitsanganan’i Jesoa ho velona. Ny dikany avy amin’ny jody dia ny hoe fandalovana.

Fandalovana ny ranomasina mena rehefa nenjehin’ny tafik’i Faraôna ny vahoakan’Israely. Ao amin’ny sariteny ara-baiboly ny ranomasina dia midika hoe fahafatesana. Raha tsaroantsika tsara dia tamin’ny fankalazana io fetin’ny Paka io i Jesoa no nampijaliana sy maty ary nitsangana ho velona. Raha adika tsotsotra dia nandalony ranomasin’ny fahafatesana i Jesoa ary tafavoaka avy tao.

Ho antsika kristianina dia Fety lehibe indrindra io satria nandresy ny rano mangenihenin’ny fahafatesana i Kristy ary santatra ho an’ny fandresentsika ihany koa. Raha tsy maty sy tsy nitsangan-kovelona i Kristy dia ho foana ny finoantsika hoy i Md. Paoly.

Ho antsika eto amin’ny FKMP manokana dia maro ny fotoana nahafahan’ny isam-batan’olona sy ny mpino rehetra nandray anjara sy niomana: ezaka karemy, làlan’ny hazofijaliana, matsompanahy, sakramentan’nyfampihavanana, ireo fotoam-pivavana nandritra ny Herinandro Masina, Lamesa n’ny Paka ny Sabotsy alina. Isika olombelona dia tsy tonga lafatra fa mila fanatsarana foana. Anjaran’ny tsirairay no  mandinika izay nandringa nandritra ny fiomanana izay. Izay famàrana nampiasaintsika tokoa mantsy no hamàrana antsika rahatrizay. Mitohy ny ezaka raha mbolavelon’aina. I Kristy Mpamonjy anie hitantana antsika hatrany.

vCard Image

Haja RAKOTOZAFY
Mpandrindra ny Vaomieran'ny Finoana

 

Sary Fankalazana ny Paka 2019

  •  
  •  
  •