TERAKA NY MPAMONJY
Tonga ny fotoana nandrasantsika mianakavy. Mifaly isika kristianina miara-miredona ny hira fiderana manakoako ataon’ny Anjely hoe : VONINAHITRA HO AN’ANDRIAMANITRA… Mankalaza izany ara-pomba litorizika manetriketrika. Mitotorebika avy eo ny mpianakavy sy miara-misakafo. Fety akaiky antsika olombelona tokoa ny Noely satria resaka fahaterahana. Efa noresahantsika fa tamin’ny taonjato faha-4 no nandraiketana ny 25 Desambra ho fankalazana ny Noely.
Ahoana izany no fankalazan’ny Fiangonana ny Noely ?
Lamesa telo lehibe no ankalazaina, tsy zatra ny maro amin’ilay Sorona Masina Mialoha (hariva).
- Sorona Masina Misasakalina
- Sorona Masina Maraina
- Sorona Masina Antoandro
Dia inona izany no tian’ny Fiangonana ampitaina sy ho dinihantsika ?
Tsara isika mihaino tsara ny toriteny ampitain’ny Pretra amintsika fa ifaharan’ny finoanatsika izany amin’izao fotoan-dehibe izao. Fetim-pitiavana ny fetin’ny Noely. Fetin’ny fitiavan’Andriamanitra ny olona rehetra tsy misy avakavaka.
Fa ahoana izany ny amin’ny Litorizia ?
Izao no mba tsara ho fantatrao : Vakiteny Masina mitovy daholo no vakiana fa tsy misy taona A B D akory. Mifono hevitra lalina eo amin’ny Litorizia izany.
- Sorona Masina Misasakalina : Fandresena miezinezin’Ilay KRISTY FAHAZAVANA, ka ny Anjely no miredona ny Voninahitra ho an’Andriamanitra.
- Sorona Masina Maraina : Indro isika mirohatra ampanetren-tena miaraka amin’ny Mpiandry ondry handray ilay JESOA FIAINAM-BAOVAO, nentin’ity Zanak’Andriamanitra ity.
- Sorona Masina Antoandro : Miatrika Ilay Misterin’ny Fahatongavana ho Nofo isika. I JESOA TENY TONGA NOFO, no nanome hasiny sy vidiny ny maha-olombelona. Isika olombelona mba ho tonga zanak’Andriamanitra koa. Izany no zava-dalina, Vaovao Mahafaly entin’ny Fivavahana Kristianina. Ka aza mandraraka ilo mby an-doha.
Dia samy ho tatran’ny Noely daholo e.
Liva Eliasy
(Isantokantrano N° 174)
Comments are closed, but trackbacks and pingbacks are open.