NOELY 2019 FKMP
“ Samihafa isika fa iray ao amin’I Kristy “ : io no lohahevitra nofidiana iainan’ny Fkmp ny taona pastoraly 2019-2020 . Io no nentina niaina ny Noely 2019 .
Niarahana nahita ny hafaliana nentin’izany . Fa mba fantatrao moa ny asa tsy hita maso nanomanana iny Noelintsika iny ary nahatsapàna fa Vatana iray ihany ary rantsam-batana maro samy manana ny talentany ny kristianina.
1 : fandinihana ny loha hevitra : ny pretra niaran-nikaon-doha efa volana maromaro izay fomba entina hampanara-dia an’i Kristy antsika . Samy nanolotra ny fomba fijeriny sy ny fiainany izany hoe kristianina izany . Ny pretra no nandravona ny voalaza ary namoaka ny matoan-dahatsoratra , toro-lalana pastoraly ho an’ny taona vaovao
2- Matso-panahy 14-15 desambra : naroso ho dinihina sy nofakafakaina tamin’ny matsom-panahy izany, nitondra’ny pretra fampianarana . Fa talohan’io dia efa niasa ireo vaomiera samihafa : ny toerana efa voafandrika efa volana maro izay ; ny fisoratana anarana dia nanentanana ny olona nandritra ny alahady maromaro ary nihoatra lavitra ny isa noheverina no nisoratra anarana . Nihoatra ny isan’ny efitra azo atoriana ; nikaon-doha ny mpikarakara nitady hevitra ; nanontaniana ny fahfahan’ny olona hijanona sy hatory eny an-toerana . Voavaha ny olana .
Fahasoavana lehibe rahateo no noraisina teny amin’ny bazilikan’i Montmartre satria nifanojo tamin’ny taon-jaobily faha 100 taona niorenany ity taona ity . Maro ireo, izay sambany vao nanao matsom-panahy, ireo sambany vao nanao alina fitsaohana ny Sakramenta Masina
Ny fitsinjaràna ny gropy , ny fanomanana litorzia : fiomanan’ireo tanora amin’ny vakiteny tany an-tranony ;
Tao ny fanomanana ireo fitaovana samihafa : livrets: famolavolàna ny atao ao anatiny, ny fanontàna azy ireny , ny tickets sakafo, ny fitsinjaràna ny efitra fatoriana, ny fizaràna ny lakile ; ny fitondràna ny fitaovana fanamafisam-peo . Tsy maintsy tonga teny an-toerana alohan’ny vahoaka rehetra
Izany rehetra izany na teo aza ny olana noho ny fitokonan’ny mpanao fitaterana
21 desambra : natokana ankalazàna ny Noely ho an’ny mpianakavy
Famandrihana sy fitadiavana efi-trano lehibe misy lapihazo sy azo isakafoanana ; fitsidihana izany toerana izany ;
Nisy tantara an-kira niarahan’ny ankizy, ny zatovo, ny tanora, ny mpanabe ara-kolotsaina sy ara-pinoana , nanaovana famerenana alahady sy sabotsy maromaro. NY hiran’ny Antoko Mpihira Feon’Anjomara efa nianarana sy naverina volana maromaro. Ny fanatanterahana izany , nifanotronan’ny ray aman-dreny sy ny mpanabe niaraka tamin’ireo mpandray anjara mivantana
Ny fanomanana ny fitafiana : nisy nofaina, nisy nozairina, nisy novidiana
Ny fandrafetana ny sehatra , ny fametrahana ny sonos, ny fampirimana sy ny fanadiovana ny toerana nampiasaina: aloha sy aorian’ny fety
Teo an-danin’izany efa herinandro maromaro no niomana ireo mpikarakara ny sakafo iaraha-mizara : ny fifidianana ny menu ; ny fividianana ireo fitaovana asiana ny sakafo (barquettes) ; ny fanomanana an’ireny sy ny fizaràna azy, satria na samy nitondra sakafo aza ny fianakaviana tsirairay dia natambatra izany mba hifampizaraina
Nifaly tokoa !
Noely 24 desambra : Teraka ny Mesia
Sorona Masina misasak’alina : tao ny fanomanana ny litorzia : fandefasana mialoha ny anjara-vakiteniny ho an’ireo zatovo mila mizàtra mamaky teny Malagasy , ny fanontàna ny programan-damesa, ny fizaràna izany; ny fametrahana ny fitaovana ara-mozika toy ny mahazatra !
Fizaràna mofo mamy : famoahana ny latabatra tamin’ny alina ; fanomanana ny rano mafàna, fividianana sy fitaterana ary fizaràna ireo mofo mamy efa nomanin’ny mpikarakara talohan’ny lamesa ; ny famerenana ny latabatra sy ny fanadiovana tao aorian’izany .
Asa maro samihafa tokoa, ka izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary ! Samy nanana ny anjara-toerany sy ny andraikitra noraisiny. Tsy misy asa kely, fa ny fifarimbonan’ny rehetra no nahafahantsika niaina iny Noely hafa kely iny.
Ianao sendra mandalo, na koa tsy afaka nandray anjara tamin’iny indray mitoraka iny, maro ny azonao atao ao amin’ny fiangonana .
I Kristy no mampiombona antsika . Mpitondra famonjena sy hafaliana ho antsika . Izany hafaliana izany no niarahantsika niaina sy nizara ary iainantsika ato amin’ny Fkmp
Fara Rasolojaona
Mpanabe, mpikatroka FKMP