NDAO MBA HIARAKA AMINAY

Image1

Ndao Mba hiaraka aminay
Kolontsaina
FKMP no mitarika anay
Andro
Asabotsy no 2 jolay
Lalao
finaritra ka tena milay

Fotoana natomboka tamin’ny vavaka
Mba hampiray antsika tsy ankanavaka
Fiadanan’i Kristy no indro novetsoina
Mopera Nirhy no mpitarika etoana  Image13

Ny kibo noana hono,  tsy maharaka ny namana
Hanim-pito loha zany, ka sakafom-pihavanana
Namango, nakafy fa tena natsiro
Samy afa-po, ka tsy misy be filiro

Image14Nalahatra mahitsy ireo Maitso, Fotsy, Mena.
Jery atrika, Aoka fa hiram-pirenena
Niantsa ilay Tanindrazanay malala
Nanakoako, tsy misy tsy mahalala

Niainga any Rakoto, ka nanaka-peo
Manaova an’izao, fa aza misy mitoreo!
Nifanome tanana ka manao faribolana
Mandihiza rahitsikitsika izay tsy mivolana

Dia faly ka ravo ny besinimaro Image15
Ndeha hi-Sakoroka ka hifangaro
Ny omby, akoho,  kisoa ka vory avokoa
Nihiaka, nihodina mandeha tsiroaroa

Dia raikitra teo ny passe à dix
Sao mitaraina fa zany tsy misy
Baolina raiso, tazomy tsara anie
Sao migadra eo , vao prisonnier

Image16Miala any  koa ny dihim-bazaha
Mahatsiaro ny fahiny ka feno tsiahy
Mifanenjika ery reto zaza madinika
Ny baolina kitra mahavariana ny mpandinika.

Tsy mety reraka ny mpanao volley
Kapoka, daka, tena henjana be
Vavàna aok’izany ny mpilalao karatra
Rotsin’ny mpivazo ho any Ankaratra.

Indro mody masoandro  ka malai-hisaraka
Tsy
maintsy faranana, ny ampitso mbola hiaraka
Hisaotra
hidera ilay Tompo be fitia
Fahasoavana
hafaliana ka mitsikia.

Vaomieran’ny Kolontsaina

Image7 Image8 Image17 Image10

Tatitra Fitsangatsanganana Kolontsaina _ 2 Jolay 2016

Tatitra horonan-tsary

  • 8
  •  
  •  

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *