"Samihafa isika, fa iray ao amin'ny Kristy"
Notanterahan’ny FKMP ny Sabotsy 14 - Alahady 15 Desambra lasa teo teny amin’ny Bazilika Montmartre ny matso-panahy amin’izao vanim-potoanan’ny Fiaviana izao hanomanana ny Noely. Mankalaza ny Jobily moa ity Bazilika ity amin’ity taona ity ary ny teny manentana amin’izany dia ilay Tenin’i Jesoa hoe: “Avia aty Amiko” (Mt 11,28). Maro ny kristianina FKMP no tonga teny. Ankizy, tanora, lehibe miisa 120.
Ny teny fanevan’ny FKMP amin’ity Taona Pastoraly ity moa dia hoe: “Samihafa isika fa iray ao amin’i Kristy.” Io koa no nandinihan-tena tamin’izao matso-panahy izao, izay notarihin’ i Mompera Edmond Aomonier sy Mompera Jeannot ary Mompera Biasgu. Io loha-hevitra io no nodinihana sy nifampizaran’ny ekipa isan-tsokajiny. Avy eo dia nifampizara izany ny rehetra tsy misy ankanavaka.
Teo koa ny fankalazana niaraka tamin-dry Masera teny Montmartre ny endri-bavaka momba ny Jaobily sy ny Lamesa fankalazana ny Alahady faha 3 Fiavian’ny Tompo, izay Alahadin’ny Hafaliana tao amin’ny Bazilika Fo Masin’i Jesoa teny Montmartre.
Maro ny matsom-panahy izay nataoko tato aminy FKMP, fa ity indray mitoraka ity dia hafa kely ny matsompanahy natrehako.
Voalohany teo amin’ny fanomanana azy. Herinandro maromaro no nieritreritra sy namolavola niaraka tamin’ireo olona maro nanampy sy nanome hevitra. Tamin’izany dia nisalasala sy nitebiteby hoe mety ve izy ity? Hanampy ny tsirairay tokoa ve mba hiaina ny Finoana marina sy ny Fiombonana ao amin’i Kristy?
Rehefa notanterahana ary ity matsom-panahy ity dia tsapa fa eo tokoa ny Fanahy Masina nanampy anay mpanomana sy tamin’ny olona tonga nanatrika izany. Tamin’ny fifampizarana sy ny fifanakalozan-kevitra dia nanampy sy nampandinika ny fahatsapan’ny tsirairay ireo mety vato misakana tsy mampiray antsika ao amin’ny Kristy. Samy hafa ny fianakaviana nipoirana sy nanabeazana. Inona avy no làlana hahatonga antsika mpiray fiangonana ho Fianakaviambe iray ao amin’’i Kristy? Hita fa tena matanjaka tokoa ny finoana sy ny fanirian'ny kristianina tsirairay. Nampietsi-po tokoa izany satria voalazan’ny tsirairay ny hetahetam-po sy ny faniriany ho an'ny Fiangonana ary indrindra ho any FKMP. Nanaitra ahy manokana koa ny vavaka nataon’ny sokajy tsirairay satria mangetaheta fiombonana sy fiainana kristianina hanjakan’ny fifankatiavana sy hafaliana.
Faly tokoa ny fo satria nahazo izany fahasoavana lehibe izany hanampy ahy sy ny hafa mba hiaina ny Finoana. Faly tokoa ny fo satria nidera an’Andriamanitra tao amin'ny Basilique sady nankalaza ny taona Jaobily faha-100 taona nanamasinana azy. Faly tokoa ny fo satria faly na ny kely na lehibe , na ny tanora na ny zatovo, na ny ray ama-dreny nahazo vatsim-panahy entina miatrika ny fiainana sy handraisana an’i Jesoa amin’izao Noely izao. Faly tokoa ny fo satria nahay niray isika tao aminy Kristy na dia samihafa aza.
Koa dia ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny haja sy ny voninahitra ary mba hitohy hatrany ny ezaka ho amin’ny tsara amin’izao vanim-potoanan'ny fiaviana izao. Ka ny fahatongavan’Ilay Zazakely eto amitsika mba hampitohy hatrany izany hafaliana izany. Mirary soa sy Fiavian’ny Tompo ho antsika rehetra
Vololona RAZAFINDRAKOTO
Mpandrindra mpanampy ny Vaomiera ny finoana
"Témoignages" vitsivitsy avy amin'ny mpandray anjara
Chorale et Tanora FKMP
Ce week-end m’a permis de me recentrer sur moi même et penser à ma foi. Grâce aux temps de partage, nous avons tous pu partager nos expériences et même si nous sommes différents, nous cohabitons tous ensemble dans l’Église. Le temps d’adoration du soir était vraiment une rencontre à deux avec Jésus, je me suis sentie vraiment bien. Ce que je retiens de cette récollection, c’est qu’on ne peut pas être Chrétiens tout seul !
Catéchistes et Tanora FKMP
Miarahaba antsika rehetra vita soa ny récollection tamin'ny asabotsy 14 sy alahady 15 décembre 2019 teo.
Sambany sy voalohany no nanatrika récollection tao Montmartre izahay mivady.
Fitarihana sy mampitombo ny finoanay ny nanatrehana izany.
Faly ny fo, saina, vatana, ary indrindra ny fanahy.
Nahazo sakafom-panahy tokoa, nahazo fampianarana sy anatra, fandinihantena sy fampieritretana, ho fampandrosoana ny église fa indrindra ny asa fanompoana an'Andriamanitra.
Dia maneho fisaorana eram-po eran-tsaina ireo mpikarakara rehetra.
Ho tahian'ny Tompo hatrany, mirary soa indrindra.
Allain sy Boula
Kristianina FKMP