« IZAY MAMINDRA FO, MAMINDRA AINA »

Kristianina miisa 186 teo ho eo, avy Lille, Prisches,Troyes, Reims, Evry, ary Paris, no nifamotoana tao amin’ny Lycée Saint Charles, Athis-Mons, ny 14-15-16 Mey 2016 lasa teo, nanatanteraka ny Zaikam-paritry ny Faritra Avaratra. Telo andro niarahana nivavaka, sy nifanakalo hevitra manodidina ny lohahevitra hoe « Izay mamindra fo, mamindra aina ». Ny taona 2016 rahateo, dia natokan’ny Fiangonana Katolika ho taonan’ny famindram-po.

  P. Berlin P. Alphonse Fara Rasolojaona Hery Rakotomahefa

Tao aorian’ny lamesa fanokafana, dia i Mompera Jean Berlin Mahaligny, avy ao Troyes, no nitarika ny valan-dresaka manodidina izany lohahevitra lehibe izany. Nandritra io valan-dresaka io ihany koa no tonga nitsidika ny Mpizaika, ny Eveka tompon-tanàna, dia I Monseigneur Dubost, Evekan’ny Evry. Ny andron’ny Sabotsy moa dia nifarana tamin’ny takarivam-pianakaviana, izay nanehoan’ny tanàna tsirairay avy ny fahaiza-manaony amin’ny hira sy ny dihy Malagasy, ka tonga amin’ilay fitenenana manao hoe “sakamalaho sy havozo, ka samy manana ny hanitra ho azy”.

  P. Berlin IMG_0111 Tiffanie sy Nadia

Ny andron’ny Alahady kosa dia nitohy ny fandaharana, tamin’ny dinidinika isam-baomiera,  sy ny tolakandrom-pialam-boly, izay noelanelanin’ny lamesa lehiben’ny Pantekôty, nentanin’ireo tanora avy amin’ny Faritra Avaratra. Ny andron’ny Alahady moa dia nifarana tamin’ny takariva fiderana, izay nanehoan’ny Vaomiera isan-tsokajiny avy, ny famintinana ny dinidinika nataon’izy ireo avy, tamin’ny alalan’ny hira, sy dihy ary sombin-tantara.

  IMG_0099 Spectacle ankizy Spectacle ankizy Fifandraisan-tanana

Nandritra iny Zaikam-paritra iny dia nisy ny hetsika fivarotana zava-pisotro nokarakarain’ireo tanora, izay natao indrindra hanohanana ireo izay hamonjy ny JMJ, ny volana Jolay ho avy izao. Io ihany koa izany no fotoan-dehibe manaraka, izay handraisan’ireo tanora rehetra avy amin’ny lafy valon’i La Frantsa anjara, hisolo tena antsika, amin’ny JMJ izay hotontosaina any Cracovie.

Patrick RAKOTONARIVO
Mpikatroka FKMP

Raki-tsary vitsivitsy nalain’i Vololona RAZAFINDRAKOTO

Kanto Lorian Aina Foot

Avy mangataka Hary Mamy Ados

Mirasoa Lydia Goûter Victor

  • 11
  •  
  •  

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *