Fitsangatsangana nokarakarain’ny Kartie

Faly miarahaba ny mpikambana rehetra. Vazo no anarako vao tonga vao haingana teto Paris aho. Hafaliana lehibe ho ahy ny nahafantarako ny fisian’ny FKMP. Izaho dia efa tanora katolika hatrizay. Kristianina tao amin’ny « ECAR Notre Dame de Lourdes » Ambatolampy aho tamin’ny mbola tany MAdagasikara. Vao in-droa aho no tafaraka taminareo nefa tsapako sahady fa hafaliana foana no ifampizarana ato; faly ny saina , mirana ny vatana , voky ny fanahy.

Tamin’ilay fitsangatsanganana tany amin’ny « Parc de Sceaux » no nihaonako tamin’ny mpikambana voalohany ny sabotsy 5 Septambra 2015 teo. Tsara ny fandraisana , ny olona tsy miavona. Tiako e. Hafa ihany ny malagasy katolika miaraka. Ny Alahady aho namonjy lamesa tao « Porte d’Orléans ». Nahatsapa hafaliana be aho niara-mivavaka sy midera ilay Ray, Andriamanitsika, amin’ny malagasy namako. Tsy mahatsiaro ho irery na aty an-tany lavitra aza manana anareo ho namana.

Mirary ny soa sy fahombiazana hatrany ho an’ny FKMP ary mamerina ny fisaorana satria mahatsapa fa tsy zanak’Ikalahafa aho tamin’ny fandraisanareo ahy.

Mifampivavaka hatrany isika ary matoky lalandava manana an’i Jesoa Kristy zokintsika.

Faly aho: « merci du fond du cœur ».

???????????????????????????????????? Vazo Andriamihaja 

Raki-tsary : Miary Aug-Son

[huge_it_gallery id= »7″]

  •  
  •  
  •  

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *