Paka

PESSAH na PÂSAH na PAKA 

Safononoka ny hafaliana miarahaba antsika rehetra tratr’izao Fety Lehibe izao eo amin’ny Finoantsika kristianina. Fiomanana lava no nataontsika satria naharitra 40 andro ary fankalazana lava koa no hataontsika satria maharitra 50 andro hatramin’ny Pantekôty izany.

Izany hoe 90 andro na telo volana be izao izany ? 

Izany tokoa satria tian’ny Fiangonana Renintsika ho tafita ao amin’ny zanany tsirairay avy fa Famonjena no Iraka ampanaovan’ny Tompony ny Fiangonana dia I Kristy. Goavana ity Misterin’ny Famonjena ity, araka izany. Hanambara ny Rainy Kristy ary hanome Voninahitra Azy, satria tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. (Jereo Joany 1, 18)

Koa inona izany no hevitry ny Paka ?

Fandalovana no hevitry ny teny hoe : Paka. Avy amin’ny teny hebrio Pessah na Pâsah. Ny Testamenta Taloha dia tandindon’ny Testamenta Vaovao. Fandalovana ny haizana mankany amin’ny Fahazavana ; fanandevozana mankany amin’ny Fahafahana ; fahafatesana mankany amin’ny Fiainana ; fahotana mankany amin’ny Fahasoavana. Hita taratra tamin’ny Alina fankalazana ny Paka daholo izany.

Mandova ny vahoaka Jody izany isika ? 

Eny, zokintsika ara-pinoana ny Jody eo amin’ny Tantara Masina. Ho antsika kristianina dia efa tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy ny zava-drehetra. « Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manala ny fahotan’izao tontolo izao », hoy Joany Batista mijoro ho vavolombelona (jereo Joany 1, 29). Izy irery izany Ilay Zanak’ondry lavorarin’ny Paka e. Tahaka ny maha-zava-dehibe ny sakafon’ny Paka ho an’ny Jody no maha-dehibe, ary mihoatra lavitra noho izany aza, ho antsika ny Pakan’i Kristy.

Dia ahoana ny fandehan’ny Fankalazana ny Paka izany ? 

Ho an’ny Jody dia voalaza tsara ao amin’ny Eksaody (toko faha-12) sy Levitika (toko faha-23) izany. Amin’ny andro takariva faha-14 amin’ny volana voalohany izany hoe : 14 Nisàna, dia Pakan’ny Tompo ho an’ny Jody. Azo antsoina mihitsy hoe : sakafo takarivam-pianakaviana indray mandeha isan-taona ary maharitra havoloan’andro izany fankalazana izany. Mihinana zanak’ondry teraka tamin’io taona io, ary mofo tsy misy lalivay na Azima. Hohanina amin’ny tanana ary haingana. Izany rehetra izany dia fahatsiarovana ny fialana ny fanandevozana tany Ejypta. Ho tsaroan’ny taranaka rehetra mifandimby.

Ary ny antsika kristianina ahoana ny fankalazana azy e ? 

Voalaza mazava fa ny andro voalohany amin’ny herinandro izany no nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy (jereo Joany 20, 1), izany hoe ny ampitson’ny Sabata. Nialohan’io no nahafatesany dia ny « Zoma 14 Nisàna » izany, no namonoana Azy. Voalazan’ny Soratra Masina fa andro fiomanana tamin’ny Paka io (hariva ny Paka) : « Ary isaky ny Fetin’ny Paka dia fanaony mandefa mpifatotra iray,.. »Marka 15, 6. Ny Konsily natao tao Nisea tamin’ny taona 325, no nanapa-kevitra fa ny Paka kristianina dia ankalazaina ny Alahady manaraka ny volana fenomanana amin’ny miraalina Lohataona (pleine lune de l’équinoxe de Printemps), izany hoe eo anelanelan’ny faha-22 marsa sy 25 avrily). Kalendrie aty amin’ny tapany avaratra moa izany (hémisphère nord). Ary maharitra havaloana na valo andro ny fankalazana.

Inona indray izany valo andro izany ? 

Io no hamaranintsika ny tafa. Mandritra ny valo andro dia azo lazaina hoe Alahady Paka na Octave de Pâques. Nolovaina tamin’ny Jody io fankalazana valo andro io, ka ny Mpanjaka Constantin nampiditra an’io tao amin’ny Litorizia katolika. Fantasika fa misy ny vavaka manokana fanao hasivianandro (Neuvaine). Fa misy koa ity havaloanandron’ny Paka na Octave de Pâques, hatramin’ny Alahady faharo amin’ny Paka ; aleo fa jerentsika amin’ny manaraka io e.

Fa manaova Paka Sambatra isam-batan’olona, isam-pianakaviana, isan-tokantrano daholo e !

Liva Eliasy

 

 

Liva Eliasy
(Isantokantrano N° 187)

 

Afo vao 2015 Jiron'ny Paka2015 Rano paka 2015

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *