FANABEAZANA ARA-PINOANA – KATESIZY

Efa nanomboka tamin’ny 4 septambra teo ny taom-pikatrohana pastoraly 2016-2017.

Zava-dehibe tokoa ny fanabeazana ara-pinoana koa nihaona tamin’ireo mpanabe ny ray aman-drenin’ny ankizy entin’izy ireo handalina ny finoana ao anatin’ny fiangonana katolika Malagasy eto Paris sy ny manodidina ny alahady 11 septambra 2016 lasa teo.

   img_3706 img_3699 img_3702

Efa nanomboka ary mbola mitohy ny fisoratana anarana ho an’ny ankizy , koa ireto avy ny tompon’andraikitra isaky ny sokajim-taom-pianarana :

– Maternelle hatramin’ny CP : sokajy Éveil à la foi : Holy Miora Rakotonirina Randriamanamihaga sy Mirasoa Razakazafy

– CE1 : Andoniaina Freda  sy Nivo Chalgo

– CE 2 : Ambroise Razafimanohy sy Fahendrena Raharinoromalala

– CM1 : Yves Rakotonirina sy Lea Rahantamialisoa

– CM2 : Irina Raveloson sy Harilala Rakotoarison

– 6ème -5ème : Jean de Dieu Rakotoarison sy Kajin Ravoson

– 4ème – 3ème sy lycéens : Fara Rasolojaona

Fiaraha-miasa amin’ny ray aman-dreny no hahatomombana ny fitaizàna ara-pinoana ny zanatsika, ka ankoatry ny fitaizàna ataonareo any an-tokantrano dia mba jereo ny ankizy hitondra ny kahie sy ny fitaovana mety ilaina (stylos, feutres, crayons de couleurs sns ,,,) ; ny goûter.

Tsy misy sarany ny fisoratana anarana fa ny fandraisanareo anjara amin’ny rakitra sy ny hasim-piangonana no miantoka ny fitaovana toy ny boky ampiasain’ny mpanabe ka dia efa isaorana anareo mialoha izany

FOTOANA FIANARANA :

Ho an’ny ankizy ny fotoana dia ny alahady aorian’ny lamesa ka mifandimby amin’ny Vaomiera ny Kolotsaina sy ny fitaizàna amin’ny teny malagasy ny fotoana

Ho an’ny Lycéens : sabotsy tolakandro

Ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe te handalina dia indray mandeha (sabotsy tontolo andro) isam-bolana

MANOMBOKA :

Alahady 2 oktobra izao ny fandraisana ny ankizy

Asabotsy 24 septambra ho an’ny lycéens

Asabotsy 1 oktobra (9ora – 4ora sy sasany ) : tanora sy olon-dehibe 

Aza misalasala raha misy fanontaniana manitikitika.

Mirary taona feno fahombiazana eo ambany fitahian’Andriamanitra ho an’ny rehetra.
Fara Rasolojaona
Mpandrindra ny fanabeazana ara-pinoana
Tél : 06 33 58 58 64 – mail : rasolojaona.fara@wanadoo.fr

  • 29
  •  
  •  

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *