Batemy

Ny Sakramentan’ny Batemy dia fanandratana ho zanak’Andriamanitra, fandraisana ho ao anatin’ny Fianakavian’Andriamanitra (Eglizy) ary fanomezana ny antoky ny Fiainana mandrakizay.

              Sakramenta Batemy

Fanazavana lalin-dalina:

Famantaran’ny fiombonana aina amin’Andriamanitra Ray, noho i Jesoa Kristy Zanany, ao amin’ny Fanahy Masina. Ny Batemy àry dia santatra ambava-rano ihany fa ny manetsa be mbola ho avy. Any amin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana vao tena lavorary io Batemy io satria hamafisina ilay Finoana. Fiantombohan-tantaram-piainana vaovao eo am-panarahana an’i Kristy, tantanina sy tarihan’ny Fanahy Masina ho any an-tranon’ny Ray

 

 

  •  
  •  
  •  

Comments are closed, but trackbacks and pingbacks are open.