Alatsinainy 5D Karemy (Jn 8, 12 – 20) – 04/04/22

Ary niteny tamin’ny olona indray Jesoa, ka nanao hoe: « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana ». Dia hoy ny Farisiana taminy: « Manambara tena hianao, ka tsy marina ny fanambaranao ». Fa namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: « Na dia manambara tena aza aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako, ary hianareo tsy mahalala izay ihaviako na izay alehako. Hianareo mitsara araka ny nofo, fa izaho kosa tsy mitsara olona na iza na iza. Ary raha mitsara aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy izaho irery, fa izaho sy ny Ray izay naniraka ahy; ka araka ny voasoratra eo amin’ny Lalànareo, dia marina ny fanambaran’ny olona roa. Ary izaho sady manambara ny tenako no ambaran’ny Ray izay naniraka ahy koa. »
Dia hoy ry zareo taminy: « Aiza ny Rainao? » Fa Jesoa namaly hoe: « Samy tsy fantatrareo na izaho na ny Raiko; fa raha mahalala ahy hianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa ». Teo amin’ny fandatsahan-drakitra no nilazan’i Jesoa an’izany, raha nampianatra tao amin’ny tempoly izy; nefa tsy nisy nisambotra azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany..

Jesoa dia nanambara fa Izy no Fahazavana,
Izay manaraka sy mino Azy dia hahita sy hahafantatra ny lalana marina mankany amin’ny fiainana mandrakizay
Aoka aza isika mba hino sy hahatoky ary hiaina izay voalazan’ny Soratra masina ary hangataka hatrany ny Fanahy Masina hitari-dalana mba hahitantsika ny Fahazavan’i Kristy. Amen!

Aina Randrianjanaka

  •  
  •  
  •