Alarobia 32A – (Md. Lioka 17,11-19) – 11/11/2020

« Nony nandeha ho any Jerosalema Jesoa, dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea.
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra eny.
Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: Ry Jesoa Mpampianatra ô! mamindrà fo aminay.
Vantany vao nahita azy ireo izy dia nanao hoe: Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona; ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana.
Ary ny anankiray tamin’ireny, rahefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery.
Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra azy; ary Samaritana izy io.
Dia niteny Jesoa ka nanao hoe: Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy?
Ny vahiny indray ity no hàny niverina tamin’izy ireny mba hankalaza an’Andriamanitra?
Dia hoy izy taminy: Mitsangàna, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao. »

Tsy vonjy tavan’andro ny Finoana kristianina fa tena fiainana iray manontolo. Ny Aim-pahasoavana no ivelomantsika ka tsy misaraka amin’I Kristy mandrakizay. Ny Finoana entanin’ny Fitiavana izany, no mamelona ka manome Fanentanana antsika isan’andro vaky. Aza hatao filàna Andriamanitra ka mora hadino rehefa nahazo fahasoavana. Sady tsy mahay misaotra. « Ny finoanao no nahavonjy anao », hoy i Kristy tamin’ilay boka iray hany mba nisaotra. Mila mifikitra am-pinoana Aminy isika. Mila fitiavam-bavaka izany, izay hany no vatsy tosika maharitra sy tena ilaina. Aina tokoa ny Fivavahana.
Tompo ô, Ianao Ilay Mpanasitrana koa omeo fahasitranana anaty sy ivelany izahay, araka ny famimdram-ponao. Mankasitraka sy mankatelina izahay ary manantena Anao. Anao irery ihany ny Dera sy ny Voninahitra mandrakizay. – Amen
ELIASY  Liva

 

  •  
  •  
  •