« Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy.Dia hoy ny Jody: Fantatray amin’izao fa manana demony hianao; Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa hianao kosa manao hoe: Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy. Angaha hianao lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao anao ho iza re hianao e?Dia hoy Jesoa: Raha manome voninahi-tena aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo no manome voninahitra ahy. Tsy fantatrareo anefa izy; fa izaho no mahalala azy, ary raha milaza ho tsy mahalala azy aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa: fa fantatro izy, ary mitandrina ny teniny aho. Nientan-kafaliana Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.Dia hoy ny Jody taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory hianao, ka dia hoe nahita an’i Abrahama?Lazaiko marina dia marina aminareo, hoy Jesoa taminy: Fony mbola tsy àry Abrahama, dia efa izaho aho.Tamin’izay naka vato izy ireo hitorahana azy; fa niery Jesoa ka nivoaka ny tempoly. »
Mino ny Teninao ‘zahay, ry Tompo ô,
Izany no mahavelona,
Mahavelona mandrakizay.
Tsy ny hanina ihany no ivelomanay,
Fa ny Teninao, ry Ray, ‘zay hany antenainay.
Ianao no fiainanay sy fananganana,
Ka izay mino anao dia ho velona.
Ho levona tokoa izao tontolo izao,
Fa ny Teninao, ry Tompo, no haharitra doria.
Intý aho, Tompo ô, efa vonona tokoa
Hihaino ny Teninao sy handray ny anatrao.
Fihirana Hasina P313
Aimée