Alakamisy 4D (Mk 6, 7-13) – 03/02/2022

« Tamin’izany andro izany, niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa, ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto. Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. Ary hoy koa Izy taminy: “Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.” Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy. »

Ity evanjely ity dia mampianatra antsika : hiahy hatrany ny mpiara belona sy ny olona manodidina antsika, hanohy ny fitorina ny tenin’Andriamanitra ho an’ireo olona izay akaiky na alavitra antsika, hahay hanetry tena mandrakariva eo @ izao fiainana handalovana izao ary hampihely hatrany ny tenin’Andriamanitra indrindra @ izao vanin’andro sarotra (crise sanitaire) handalovantsika izao.Tompo ô ! Mangataka fanavozana isan’andro izahay @ fanarahana Anao sy ny fampihelezana ny teninao. Ampio izahay hanantanteraka an’izany fikasana masina izany. Amen !

Marcelle

  •  
  •  
  •