PIC_9645

Sorona Masina Jôbily Mariazy

Fiangonana Fianakaviana Tsy voalohany isika teto amin’ny FKMP no nankalaza ny Jôbily Mariazy fa efa fanao teo aloha ihany izany. Fa hafa kely kosa raha ankalazaina mandritra ny Jôbilim-piangonana izany Jôbily Mariazy izany. Hany ka tsy nijanona fotsiny tamin’ireo nankalaza Jobily (5, 10, 15, … taona)  ihany ny hafaliana sy ny fientanam-po fa  hita taratra […]

Lanonana fankalazàana ny faha-60 taonan'ny FKMP

Koranam-pianakaviana faha-60 taona

Ny Fiangonantsika dia manamarika ny faha 60 taonany. Zava-dehibe ny ara-panahy ka tsy ataontsika ambanin-javatra. Ny lamesa lehibe no manokatra (19 oktobra 2014) ary lamesa lehibe koa no manakatona (18 oktobra 2015) izany.  Ezahina mandrakariva ny handraisan’ny tsirairay anjara araka ny talentany avy. Ankoatra ireo hetsika marobe dia nanatontosa ny koranampianakaviana isika ny 25 avrily […]

IMG_1330

Sorona Masina Fanokafana ny Taon-jaobily faha-60 taona

Ny alahady 18 oktobra 2014 no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny taon-jaobily faha-60 taona ny FKMP. Sorona Masina lehibe no nanombohana izany, izay notanterahina tao amin’ny Fiangonana Saint-Pierre de Montrouge, ary notarihin’i Mgr Eric de Moulins-Beaufort, eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’ny Paris. Loha-hevitra manentana ny kristianina FKMP mandritra ity taon-jaobily ity dia ny […]

Journée katé mai 2015-1

Journée Katé – 1ère journée de la catéchèse

« Viens t’amuser avec ton ami Jésus » : ou : «  la catéchèse autrement. » C’est une journée qui rassemble les parents, les enfants, les catéchistes et le prêtre, permettant à tous de vivre une catéchèse dans la joie, les jeux, la convivialité, le repas partagé et l’Eucharistie . Chaque groupe d’enfants par niveaux, a présenté de manière ludique […]

IMG_0897

Zaikabe La Salette

Fiara lehibe anankiroa no nitondra ireo kristianina ny FKMP miisa 137 namonjy ny Zaikabe izay notontosaina tany amin’ny Sanctuaire Notre-Dame de La Salette tany Grenoble, ny zoma 15 ka hatramin’ny alahady 17 may 2015 lasa teo. Loha-hevitra nanentana ny mpizaika tamin’izany dia ny hoe “Mivavaka miaraka amin’ny Masina Maria” (Prier avec Marie). Fotoana lehibe hihaonan’ny […]

Tonga soa miaraka amin’ny FKMP

Faly miarahaba antsika rehetra mpamaky sy mpitsidika hajaina ity tranokalan’ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris (FKMP) ity. Hisaorantsika Andriamanitra sy ireo nikarakara ka nahafahantsika mitsidika amin’ny endriny vaovao ny Fiainam-piangonantsika sy ity fomba fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny vaninandro ankehitriny ity.  Manomboka tokoa izao ny Taona Pastoraly vaovao 2015-2016 izay hankalazantsika indrindra ny Taonan’ny Famindram-po […]